
Raha tsy hatahorana hanao na inona na inona izay lasibatra ilay basy kilalao nentin’izy ireo dia ny azo antoka kosa, mandratra no mety hamono mihitsy ny “poignard”, fitaovam-piadiana fentin’ireto mpanendaka manao ny asa ratsiny hoy ny polisy.
Ny alin’ny talata lasa teo, mpanendaka roa lahy no voasambotry ny polisy teny amin’iny faritra Amboavahy, Ambohimanarina iny, vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny andrimasom-pokonolona teny an-toerana. Tsy zoviana amin’ny rehetra tokoa angamba fa anisan’ny faritra voasokajy ho mena amin’ny resaka tsy fandriampahalemana iny faritra iny noho ireo fanendahana sy asa ratsy ataon’ireo tontakely eny an-toerana. Izay toe-javatra izay no antony nampitsangana ireo vaomieran’ny fandriampahalemana, izay miara-miasa akaiky amin’ny kaomisarian’ny polisim-pirenena misahana iny faritra iny. Raha ny fantatra dia tao anatin’ny fisafoana mihitsy izy ireo no nifanena tamin’izy roa lahy ireto. Andro misasakalina kanefa tsy fantatra hoe ho aiza na ho aiza izy ireo. Voatery nosakanana ary nosavaina. Tratra tany amin’izy ireo ireto fitaovam-piadiana ireto : ilay antsy maranitra sy basy kilalao, izay fentin’izy ireo manao ny asa ratsiny. Anisan’ny tompon’antoka tamin’ireo fandrobana mihato herisetra izy roa lahy ireto raha ny vaovao azo hatrany. Lasibatra ireo izay tratra alina ary ataon-dry zalahy ireto mahamay mihitsy. Nosamborina avy hatrany moa izy ireo ary nentina notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana teny amin’ny biraon’ny kaomisaria, nialohan’ny nanolorana azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana. Zava-dehibe ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana hoy ny teo anivon’ny polisim-pirenena ka manentana hatrany ny rehetra amin’ny fanomezam-baovao, ahafahana mamongotra hatramin’ny fakany ireo tontakely sy jiolahy eny anivon’ny fiarahamonina eny.
m.L




