Nifandimby torana ny tanora maro ary novonjena nobataina haingana ka novelomina ny ainy. Nafana loatra tao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena omaly nandritry ny lalao basket izay hifanandrinan’ny oniversite maro. Tsy ampy ny rivotra ary vetivety dia nisy fiantraikany tamin’ireo olona an’arivony izay tao anatiny. Ireo tovovavy no tena hita nianjera hoazy sy torana tsy nahatsiaro tena. Mila jeren’ny mpiandraikitra ny toerana maika ny vahaolana satria ain’olona marobe no voakasika raha sanatria ka tsy mitohy ny fihibohana toa izao. Raha samy manavotra ny ainy koa ireo olona marobe ka hifanitsaka, vao maika zava-doza tanteraka no hitranga.
D.R




