- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVangaindrano : Mpamon’olona roalahy maty voatifitra

Vangaindrano : Mpamon’olona roalahy maty voatifitra

Niezaka nitsambikina avy eny ambon’ny fiaran’ireo pôlisy nisambotra azy izy ireo rehefa tsy nahazo ny basy teny am-pelan-tanan’ireto farany. Voatery nampiasa basy ny pôlisy ka maty vokatr’izany ireto roalahy izay voarohirohy tamin’ny resaka vonon’ olona. Tranga izay niseho tany Vangaindrano, ny voalohandohan’ny herinandro teo.

Araka ny fampitam-baovao azo, ny alin’ny 12 martsa lasa teo, dia nitrangana vono olona mahatsiravina tany an-toerana. Nisy olona roa voarohirohy sy voatonotonona ho tompon’antoka tamin’izany vono olona izany tany an-toerana ary niparitaka vetivety ny sarin’izy ireo. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny pôlisy ary nanokatra ny fanadihadiana taorian’izay. Ny marainan’ny talata teo ireto olona voarohirohy ireto no voasambotry ny pôlisy tao Farafangana ary natao famotorana. Niaiky soa aman-tsara ny heloka bevava vitan’izy ireo tao anatin’ny fakàna am-bavany azy. Ho tohin’ny fanadihadiana dia nentin’ireo pôlisy nihazo an’i Vangaindrano ireto olon-dratsy ireto. Teny am-pandehanana anefa, 9 kilaometatra tsy hiditra an’i Vangaindrano, hoy ny vaovao, no nanapa-kevitra ny hikomy sy hitsoaka izy roalahy. Nitsambikina avy eny ambony fiara izy ireo rehefa tsy nahazo ny basy saika nalain’izy ireo an-keriny teny am-pelan-tanan’ireo pôlisy nitondra azy ireo. Efa nandefasana fampitandremana moa izy ireo, hoy  hatrany ny vaovao fa tsy nanaiky ny hijanona fa mbola nanohy hatrany ny fandosirany. Hany ka tsy maintsy nampiasa basy ireo pôlisy ary nahavoa azy roalahy. Maty vokatry ny ratra mafy nahazo azy ireo, hoy hatrany ny fampitam-baovao azo. Taorian’ny fitsirihana nataon’ireo tompon’andraikitra dia nentina nihazo ny tranom-paty ny razana. Mahakasika ilay vono olona kosa dia fantatra fa mbola manohy ny fanadihadiana ireo mpanao famotorana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici