- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTrangam-piarahamonina teto Toamasina : Ramatoa iray safotra teny an-dalam-be

Trangam-piarahamonina teto Toamasina : Ramatoa iray safotra teny an-dalam-be

Hagagana tampoka ny an’ireo nahita ity ramatoabe iray nitambotsitra ho azy teo teny an-dalam-be mifanakaiky ny tranombarotra «leader price» Ampasimazava, omaly maraina. Nitambotsitra izy noho izy tsy nahatsiaro tena ho azy teny an-dalana. Efa nandray andraikitra ny ekipan’ny mpamonjy voinan’ny kaominin’i Toamasina, nitondra azy teny amin’ny hopitaly. Ho an’ireo olona nahita azy aloha dia mety ho vokatry ny hanohanana ny naha safotra azy io, satria raha ny fijery azy mantsy dia olona «en forme» izy ary olona manana fianakaviana ara-dalana koa. Nefa raha ny fijery ny nahatonga ny fahatoranany dia vokatry ny hanohanana, satria mbola nahitana vola 4.000 ariary teny aminy tamin’ny fotoana nahitana azy sy nibatana azy ho eny amin’ny hopitaly tsaboina. Izay no nahatonga ny mpitsabo teny amin’ny hopitaly be nilaza fa, aoka tsy ataontsika ambanin-javatra ny fihinanan-kanina isaky ny maraina raha misy izany, fa ilaina izy ireny amin’ny herim-batana. Ho an’ireo tsy manana kosa dia aza hadinoina ny misotro rano mafana raha misy, dia asiana siramamy kely izany ialana amin’ny fidinan’ny tahan’ny siramamy ao anaty vatana. Ankoatra izay, ho an’ireo bebe taona dia ny mitondra namana miara-mandeha ihany no tena vahaolana raha tsapa fa manana aretina mitaiza ilay olona efa lehibe.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici