
Izy ilay ramatoa nitaingina Quad nandritra ny tolona teo Analakely ary nahasahy niatrika ny zandary. Tao anatin’izany anefa dia sady niharan’ny herisetra izy no nosamborina. Nisy ny zavatra very tao anatin’izany ka isany ny findainy. Azo horonan-tsary avokoa ny zava-nisy rehetra, satria raha nisy tolona tena nandeha mivantana tamin’ny tambajotra dia iny tolon’ny GenZ iny. Hatreo dia nilaza i Alissa Valerey, ilay isan’ny maherifon’ny hetsika, fa tsy mbola tafaverina taminy ny fananany. « Efa nanao ny dingana rehetra (procédure) tokony hatao aho mba hamerenana ny findaiko kanefa efa-bolana katroka izao dia mbola tsy misy tohiny ihany. Marihiko fa ny fitaovako no takiako fa tsy mangataka vola na seza aho ary tsy mila izany. Misy antontan-taratasy (dossiers) tena ilaiko ao anatin’io finday io, ka izany no anton’ny fangatahako », raha araka ny fanazavany. Faran’izay tsotra ny fanadihadiana raha misy finiavana handroso amin’ity raharaha ity. Feno vidéo niparitaka mantsy ary mora kely ny mahita izay naka ny findain’i Alissa Valerey. Tsy maintsy hiaro tena indray ny tompon’andraikitra hoe nilaina tamin’ny fanadihadiana ilay fitaovana. Saingy ny raharaha aza tsy niakatra fampanoavana akory ary ny entana rehetra efa niverina amin’ny tompony, ankoatra io finday io. Dikany, afaka mitory noho ny halatra ny tompony ary indrindra koa, ananany avokoa ny laharana manokana (IMEI) an’ny finday ka na aiza na aiza hampiasàna azy dia ho tratra foana ary dia ho sahirana ilay bontolo mampiasa azy.
D.R




