- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsy fahandriampahalemana eto Toamasina : Lasa mpanendaka sy mpandrava ireo mpamily Tuc-Tuc

Tsy fahandriampahalemana eto Toamasina : Lasa mpanendaka sy mpandrava ireo mpamily Tuc-Tuc

Tena lasa mpanendaka sy mpandrava ireo mpamily Tuc-Tuc eto Toamasina ankehitriny. Ny zava-nisy avy nandalovana tamin’ny fahasimbana vokatry ny rivodoza angamba ny antony, fa maro ireo mpandray vola lasibatra tato ho ato izany robain’izy ireo. Tamin’iny herinandro nivalona iny izao dia ireo olona mpandray vola tamin’ny FID noho ny rivodoza ho fanampiana ireo fianakaviana no lasimbatra, raha avo nandray vola tao amin’ny Stadium tamin’ny FID. Lasa ny vola 280.000 ariary vao avy noraisina. Araka ny fanazavana dia mody maka olona eo akaiky ny toerana fizaram-bola ireo mpamily Tuc-Tuc ary mijery tsara ireo vehivavy tokana tsy miara-dia amin’ny namany. Tahaka ity vehivavy iray tratran’izy ireo avy naka ny vola hody irery tsy niaraka tamin’ny namany ity. Toy izany koa no nahazo ity lehilahy iray hamonjy fodiana ny alin’ny alahady teo ity tokony ho misasakalina. Sady efa noratraina no mbola nendahan’ilay mpamily ihany vola teny aminy. Voalazany fa teo amin’ny lalam-baovao Mangarivotra no nanendahan’ny mpamily Tuc-Tuc azy nefa izy hody eo Tanambao faha-5. Lasa daholo izay rehetra tany am-paosiny tsy nisy niangana, nefa tsy lavitra teo izy no nandray ilay Tuc-Tuc. Mila mitandrina izany ireo mpandeha Tuc-Tuc amin’ny andro alina, fa efa misy koa izany ankehitriny mpamily azy ireo mpanendaka sy mpandrava rehefa maizina ny andro. Ny herinaratra eto Toamasina koa efa mandeha ny ampahany fa ny arabe mbola maizina rehefa alina ny andro. Isaorana izany ireo olona tsara sitra-po tratra alina koa nanampy sy nitondra ity voaravana mpamily Tuc-Tuc ity nitondra azy teny amin’ny hopitaly mba hitsaboana ny  ratrany.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici