Ny sabotsy teo no notokanana ilay fiantsonan’ny sambo vao namboarina teo anivon’ny seranan-tsambo mirefy 333m amin’ny 470m. Ny filoham-panjakana, kolonely Randrianirina Michael, niaraka tamin’ireo degesionina niara-dia taminy no nitokana izany nandritra io andro sabotsy teo io teto Toamasina.niara-dia taminy nandritra izany koa ny masohivoho ny firenena Japonnais miasa sy monina eto Madagasikara. Ny sambo antsoina hoe “little Mermaid Monrovia” Imo 9946245 no niantsona teo voalohany nandritra izany, izay sambo goavana tokoa ary manazaka entana amin’ny kaontenera maro. Mole C4 no iantsoana azy ity ary mbola mosy ambiny sy vita izany satria mirefy 470m ny alavan’izany manontolo raha vita tanteraka. Nambara taminy fandraisana ity fiantsonana sambo vaovao ny seranana ity, fa hitondra rivo-baovao amin’ny toe-karena Malagasy ny fahavitany tantereka, satria vola maro ny ampiodiriny noho ireo entana entin’ireo sambo tsy miantsona intsony amin’ireo nisy manodidina fa tonga dia Toamasina Madagasikara. Tsy mena-mitaha amin’ny seranan-tsambo amin’ireo nosy manodidina intsony isika Toamasina ankehitriny amin’ny fahavitan’ireo foto-drafitr’asa ireo, satria afaka manafaingana ny fahatongavan’ny entana fa tsy mamindra entana amin’ireo nisy rahavavy sy afrika atsimo intsony, hoy ny tale jeneran’ny seranana Atoa Randriambahoaka Heritiana Anicet. Ny tanjona mantsy ho an’nyseranan-tsambon’ny Toamasina dia hahatongavana amin’ny seranana ho “Port 2.0”, mba hapiditra volam-panjakana ahafahana tena manavao tantereka ny firenena. Mbola hisy ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana japonnais sy ny Malagasy, satria mbola tsy ny asa fanitarana ka misy ny vola fanampiny tadiaviana hanaovana izany vokatry ny fahataran’ny asa, ka amin’ny taona 2028 vao ho vita ny asa rehetra amin’ny fanatsarana ny seranana.
Malala Didier




