- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Nanatanteraka fivoariana mba ahazoana vokatra azo tsapai-tanana eo amin'ny lafin'ny fampandriam-pahalemana...

Maevatanàna : Nanatanteraka fivoariana mba ahazoana vokatra azo tsapai-tanana eo amin’ny lafin’ny fampandriam-pahalemana ireo mambra ny OMC REG Betsiboka

Tao amin’ny efitranom-pivorianan’ny prefektioran’i Maevatanàna ny Talata faha 17 Martsa taona 2026 lasa teo iny, tokon’ny tamin’ny 04 ora hariva tany ho any no nanatanteraka fivoriana niarahana tamin’ny mambra ny OMC Betsiboka, sy ireo mpisehatra rehetra amin’ny lafin’ny tsy fampandriam-pahalemana aty an-toerana, izay nahitana ireo solotena: eo anivon’ny farita Betsiboka, mpitsara mpanao famotorana, lehiben’ny boribory tany, ben’ny tanàna, talem-paritry ny fananan-tany, ekipa mandrafitra ny dinam-pokon’olona, filoham-pokontany, firaisamonimpirenena:  » Réseau des Jeunes OBS Mada Betsiboka.  » Ny dinidinika ambany tafon-trano notarihan’Atoa prefetn’i Maevatanàna natao teto moa dia hanatsarana sy hanomezana torimarika, hialana amin’ny mety ho firongatry ny tsy fandriam-pahalemana ato anatin’ny faritra Betsiboka. Izany no natao mba hisian’ny vokatra azo ho miantefa amin’ny fiainam-bahoaka. Saingy azo tsapai-tanana kosa aloha hatreto ny fihenan’ny tsy fandriam-pahalemana misy, raha ny angom-baovao voaray hatrany. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra fa nafana ny fanehoan-kevitra nisy, izay naharitra ora maro no nampanantsoina manokana nandritra izao fivoriana izao ny tompon’andrakitra voalohany, eo anivon’ny Jiro sy Rano Malagasy eto Maevatanàna ny amin’ny tokon’ny mba hijerena vahaolana maharitra amin’ity fahatapan-jiro tsy mety manam-pahavitana lazaina fa misy olana ara-tekinika sy fanafarana teknisianina lava ity . Nandeha moa ny fanontaniana tamin’io tompon’andrakitra voalaza etsy aloha io, amin’ny tena zava-misy marina manoloana ny fahatapan-jiro mampitondra faisana ny vahoaka aty an-toerana, sao hampanararaotra ireo mpanao ratsy amin’ny hateraky ny haizina misy.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici