Nampanantsoin’ny mpitandro ny filaminana ary nalaina am-bavany ny solontenam-pokonolona eny amin’ny fokontany Tongarivo Tanjombato. Izany dia taorian’ny fipoahana nitranga tao amin’ny toeram-pivavahana silamo iray teo an-toerana. Nametraka fitoriana ny tompon’andraikitry ny toerana, satria nisy nitoraka bomba ny mosquée. Niainga teo ny fanadihadiana ary tonga hatrany amin’ny fihainoana ny mpiara-monina. Ho an’ireo farany indray dia ahian’izy ireo fa « court-circuit », izany hoe olana amin’ny herinaratra no nitranga ka nitarika ny firehetana. Mizara roa araka izany ny fijerin’ny roa tonta momba ity raharaha ity. Nialoha an’izao dia efa nisy ny tsy fifankahazoana teo amin’izy ireo ary nilamindamina ho azy teny ihany. Izao indray, taorian’ity firehetana izay tsy mampitovy ny fomba fijery dia ahiana hiverina indray ny disadisa. Ilaina ny fahafantaran’ny olona ny vokatry ny fanadihadiana mba hikaroham-bahaolana amin’ny tranga toa izao.
D.R




