- Publicité -
dimanche, octobre 18, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndriba-Maevatanàna : Nidina an-dalambe mitaky tsy misy hatak'andro ny fanalana ny ben'ny...

Andriba-Maevatanàna : Nidina an-dalambe mitaky tsy misy hatak’andro ny fanalana ny ben’ny tanàna

Ny Alatsinainy hariva faha 23 Martsa taona 2026, tokon’ny tamin’ny efatra ora sy sasany tany ho any no nidina an-dalambe naneho ny tsy fankasitrahana an’Atoa ben’ny tanàna honohy ny asany, any amin’ny kaominina ambanivohitra Andriba, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ireo mpanao fihetsiketsena any an-toerana. Niara-nirohatra nandoro kodiarana teny amin’ny lalam-pirenena fahetra moa ireto farany, ka tapaka nandritra 30 minitra ny fifamoivoizana teto Saingy niverina ihany izany taorin’ny lamina nampetraka sy fifampiresahina tamin’ireo mpanao fihetsiketsena. Nikasa ny hanakatona ny biraon’ny kaominina Andriba indray avy eo, any ka tonga nalaky nanao ny sakana ny Zandary miasa no tsy tanteraka ny fikasana nataon’izy ireo. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra fa anisan’ny takian’ireo mpanao fihetsiketsena mafy ny hanalana tsy misy hatak’andro ny ben’ny tanàna noho ny fampiasana taratasy hosoka nandritra ny fisoratam-panambadina nataony no miampy fanomezana halalana amin’ny tetikasa iray sandoka, izay nisy fiantraikan’ny tamin’ireo olona ao anatin’ny fokontany:13 any amin’ny kaominina ambanivohitra Andriba. Teo ihany koa ny fanodokodonana omby efa nampidirina ambalam-pamonjana niisa 14, ka tsy manara-dalana ny famoahana azy. Fanodokodonana fitaovam-panjakana, toy ny simenitra nanamboarana ny  » EPP Maroharona sy ny Biriky, vato Kely tokon’ny nanamboarana kianja filalaovana baolina kitra, ka lasa nampisaina tamin’ny tombontsoany manokana. Etsy an-daniny ny fanararaotam-pahefana amin’ny fakana vola aman’olona, raha tsy izany dia hogadrainy ny olona tsy manatanteraka izany. Ireo rehetra ireo moa efa nametrahan’ireo mpanao fihetsiketsena fitoriana nanomboka ny faha 05 Novambra taona 2025.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici