- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMadagascar Organic : Nahomby ny fampiasana Peatgel tamin’ny fambolena landihazo tany Toliara

Madagascar Organic : Nahomby ny fampiasana Peatgel tamin’ny fambolena landihazo tany Toliara

Tsara ny vokatra azo.

Nahitana vokatra tsara ny andrana fampiasana ny Peatgel nataon’ny mpamboly iray, Andriamatoa Mahavita, tao amin’ny fokontany Andranomatavy, kaominina Soahazo, distrikan’i Toliara II, tamin’ny faran’ny volana Desambra lasa teo. Mpamboly hasy (landihazo) sy katsaka izy, ary nanapa-kevitra ny hanandrana ity vokatra ity amin’ny taniny. Araka ny fanazavana, dia natao tamin’ny tany roa samihafa ny andrana : ny iray tsy nampiasana Peatgel, ary ny iray kosa nampiasana izany, indrindra tamin’ilay tany heverina ho tsy dia mamokatra loatra. Na dia tsy ampy aza ny Peatgel nampiasaina, dia efa hita taratra sahady ny fahasamihafana teo amin’ny vokatra azo. Tamin’ny fambolena hasy, ny tany nasiana Peatgel dia nahitana zavamaniry salama tsara, matevina ny raviny, tsy malazo ary tsy miraraka ny kapsily (capsule) izay miteraka ny voa. Etsy ankilany kosa, ny tany tsy nasiana Peatgel dia nahitana ravina manify, malazo ary mora miraraka ny kapsily. Nandritra ny roa volana nampiasana ny Peatgel, dia nisy ahiahy kely teo amin’ny mpamboly noho ny fisian’ny bibikely, ka nihevitra izy fa mety vokatry ny vokatra hafa nampiasainy izany. Kanefa, tsy mifandray amin’ny Peatgel ireo bibikely ireo, araka ny fanamarihana natao. Ho an’ny katsaka indray, dia nalona tao anatin’ny Peatgel nandritra ny dimy minitra ny voa alohan’ny hambolena azy. Nahomby ihany koa izany fomba izany, ka nahazo katsaka feno sy tsara kalitao ny mpamboly. Marihina fa tsy natao hamono bibikely ny Peatgel, fa natao hanatsarana ny tany, hiarovana ny zavamaniry ary hampitombo ny vokatra. Manampy amin’ny fanatsarana ny firafitry ny tany sy ny tsirony ihany koa izy. Raha ny fanazavana avy amin’ny Madagascar Organic, dia vokatra mahasoa ho an’ny mpamboly manerana an’i Madagasikara ny Peatgel, indrindra amin’ireo faritra mila fanatsarana ny vokatra. Araka ny hita tamin’ity tranga ity, dia afaka manampy betsaka amin’ny fahaleovantena ara-tsakafo sy ny fampitomboana ny vokatra aondrana any ivelany izy. Noho ny fahafaham-pony tamin’ny vokatra azony, dia naneho fisaorana manokana ho an’ireo mpikarakara ny Madagascar Organic sy Peatgel Andriamatoa Mahavita. Nohamafisiny fa tena nahitana fiovana lehibe teo amin’ny famboleny ny fampiasana izany. Amin’ny ankapobeny, dia hita fa mahomby ny Organic sy Peatgel amin’ny karazana fambolena rehetra, satria manampy amin’ny fanatsarana ny vokatra sy ny kalitaon’ny tany, ka mahatonga azy ho fitaovana ilaina ho an’ny tantsaha malagasy.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici