Mahakasika ny famonoana tamin’ny fomba feno habibiana an’ilay mpandraharaha Andry Rakotovao, fantatra izao fa olona roa no karohin’ny polisy fatratra. Ny iray dia ilay mpampily antsoina hoe Bary Dominique, mpamily nitondra ny fiara nandositra avy any Moramanga ary ny anisan’ny voalohany ahiana ho nahavita ny heloka. Omaly dia nivoaka koa ny filazana fikarohana ny lehilahy antsoina hie Randrianarimalala Emile, antsoina hoe Nary. Izy io dia voalaza fa nampiantrano an’i Bary Dominique teny amin’ny faritr’i Fenoarivo tamin’ny zoma alina. Tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ambohimandry Ankadivory no nahitana ilay fiaran’ilay olona novonoina. Rehefa natao ny fanamarinana, hoy hatrany ny vaovao, dia noheverina fa io lehilahy io no nandray ilay saofera ary niara-nandositra taminy. Naleha tany amin’ny toeram-piasan’ilay antsoina hoe Nary ka fantatra fa efa nanomboka ny zoma izy io no tsy tonga niasa na dia fotoana tokony handraisany vola aza tamin’izany. Manao antso avo ny polisy ho an’ireo izay olona afaka manome vaovao mikasika azy roa lahy ireo mba hampilaza ny manam-pahefana akaiky azy na hiantso ireto laharana telefonina ireto : 034 05 998 45 na 034 05 998 46 na koa ny 034 05 517 26 .
Nampahatsiahy ny besinimaro moa mpitandro filaminana fa miray tsikombakomba aminy avy hatrany izay olona manafina na mampiantrano na manamora ny fandosiran’ny olon-dratsy. Raha vao niseho moa ity vonoan’olona ity dia niara-nisalahy tamin’ny fikarohana ny olon-dratsy ny polisy sy ny zandary.
r.s.