- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIkopa : Lehilahy iray natelin'ny rano

Ikopa : Lehilahy iray natelin’ny rano

Teo Bemasoandro-Itaosy, amin’ny andro antoandro no nilentika teo imason’ny olona ilay lehilahy nentin’ny rano. Tsy nisy azo natao ankoatry ny niantso ny mpamonjy voina. Tonga ireo ary natao ny fikarohana ary hita ihany. Rehefa tafiakatra an-tanety dia natao ny fameloman’aina saingy tsy nisy vokany intsony. Raha ny fantatra dia niara-nanasa lamba tamin’ny vadiny ilay rangahy iny antoandron’ny alakamisy iny. Nisy lamba lasan’ny rano ary raha naka izany izy dia nahazo lalina. Nentin’ny rano ary avy eo nilentika. Nanao antso vonjy ny vadiny saingy tsy nisy sahy nanavotra ny olona. Tsy voalohany Ikopa no nitelina olona toa izany, saingy matetika dia amin’ny andro fahavaratra noho ny fiakaran’ny rano. Ity kosa indray dia noheverina fa efa tsy misy ambana ny hahery ny rano, kanefa dia mbola nahazaka olona ihany. Raha amin’iny mifanandrify amin’ny Bemasoandro-Itaosy iny dia lava-pasika no tena antony mampiovaova ny halalin’ny rano. Raha vao misolifatra fotsiny eo amoron-drano dia efa mety mahazo lalina na dia akaiky ny morony aza. Midika izany fa miady aman’aina koa ireo mpanasa lamba marobe eny amin’iny Ikopa iny, eny fa na dia main-tany aza. Isaky ny misy voina toa izao dia ny fanentanana kely no mba farafahabetsany azon’ny manam-pahefana hatao, fanentanana mba tsy hanasa lamba eo akaiky loatra ny rano. Kanefa rano no tena ilaina ary olona marobe no indray mivelona amin’izany asa fanasan-damba izany. Sarotra ny hanala azy ireo eo vokatr’izany ary ny niafarany dia afaka miasa eo ny olona saingy mandry andriran’antsy isa-minitra.

 D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici