Nanao ny fahaizany sy ny traikefany ireo polism-pirenena tao Mahanoro nahatrarana ity rangahy iray mpisoloky gaigy lahy, araka ny baiko avy amin’ny talen’ny filaminana anatiny Toamasina. Sarona tao Mahanoro ny tenany satria efa maro ireo olona tratra sy fisolokiana efa vitany. Raha nosavaina ny efitrano fipetrahany tamin’ny trano fandraisbahiny iray tao Mahanoro, dia nahita zavatra maro hita tao ireo kara-panondro telo izay mitovy ny sary fa anarana samy hafa. Tao koa ireo vola 20.000 ariary tsy hay na sandoka na tsia miisa 31 hita tao aminy, sy finday miisa roa miaraka aminy “puces” fampiasa aminy miisa 11 ary taratasy tsy fantatra ihany koa na hosoka na tsia milaza ny maha-mpampianatra azy tao Nosy Varika. Mbola nahitana karazana fanafody mampatory vita vahiny sy raokandro Malagasy tany aminy nandritra ny fisavana natao ity. Efa eo am-pelantany ny polisy ny Mahanoro ny raharaha ka tsy afa-miala intsony ity rangahy ity, ary tsy maintsy hizaka ny heloka vitany amin’ny fitsarana araka ny fanadiadiana atao aminy. Raha ny fahitana azy hoy ireo mpitandro filaminana manao ny fanadiadiana, dia misy olona mifandray tendro aminy ity lehilahy tratra ity, ka eo am-pikarohana izay mety ho mpiray tendro aminy ireo polisy mba handravana tanteraka ny tamban-jotra na mposoloky gaigy lahy ohatra izao, fa fahavalom-pirenena izy ireny. Hakatra tsy ho ela amin’ny fampanoavan’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Vatomandry ny raharaha tsy ho ela araka ny nambaran’ireo polisy mpanao fanadiadiana ao Mahanoro.
Malala Didier




