“Paska Kristy Mpandresy” io no anaran’ny hetsika karakarain’ny Amboara Gospel ao Antsirabe manomboka ny sabotsy, alahady ary ny alatsinain’ny Paska ho avy izao eo amin’ny arabe atsimon’ny Jirama, manomboka amin’ny roa ora tolakandro. Ahitana artista ara-pilazantsara maro hanentana ao araka izany, toy ny GCC, Jaw’s Band, Antsan’i Kristy ary Joseph d’Af. Hanentana amin’izany i Tina Andriamihaja sy Mc Mika. Marihina fa tsy misy ny vidim-pidirana amin’ireo hetsika ireo, araka ny nambaran’ny mpikarakara, koa manasa ny rehetra izy ireo.
m.L




