- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTalatamaty : Nitondran’ireo jiolahy “tronçonneuse” mihitsy ny “grille de protection”

Talatamaty : Nitondran’ireo jiolahy “tronçonneuse” mihitsy ny “grille de protection”

Andro maraina fa tsy mba hoe alina akory. Niomana ny handidy ilay karakara vy fiarovana varavaran-kely tamin’ny alalan’ny “tronçonneuse”  hidirana an-keriny tao amin’ilay trano ireo jiolahy no nisy nahatsikaritra. Raikitra ny antso vonjy. Tonga ny zandary.

Tao amin’ny tokantrano iray teny Talatamaty iny no nitrangan’ity vaky trano ity ny alarobia lasa teo, tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany maraina. Ary tsy iza ireo olon-dratsy nikasa hamaky trano ity fa olona akaiky ireo tompon-trano ihany. Raha ny fampitam-bavao azo mantsy dia taorian’ny antso fampandrenesana nataon’ireo nahatsikaritra ny zava-nisy dia tonga avy hatrany ireo mpamaky trano saingy niantefan’ny ahiahy voalohany ny mpiambina ary nentina natao famatorana. Nibaradaka tokoa ilay io, izay namarinin’ny zavatra sarobidy hita tao an-trano izay tsy azy fa an’ny mpampiasa azy.

Efa maty paika tanteraka ny teti-dratsin’ireto olon-dratsy izay novorian’ity mpiambina ity. Ekipa anaty ratsy izay efa samy mahafantatra tsara ny tao amin’ity tanana ity ihany sy ny fomba fanaon’ireo tompon-trano. Vantany vao vita ny “opération” dia mitsoaka toy tsy teo any Fianarantsoa any izy ireo. Saingy izao nadamoka izao moa.

Tao anatin’ny fanadihadiana dia fantatra fa olona efatra no voasambotry ny zandary : ilay mpiambina, mpiambina teo aloha, ary ny mpamilin’ilay tompon-trano ary olona iray hafa. Notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana avy hatrany moa ireto olona ireto ary natolotra ny Fampanoavana ny zoma lasa teo ary nadoboka am-ponja avy hatrany eny Antanimora.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici