- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimanambola : “Farakely” nandiso eritreritra, maty voatifitra

Ambohimanambola : “Farakely” nandiso eritreritra, maty voatifitra

Nihevitra fa hanaiky mora hanoro ny toerana fanafenanany ny basy fampiasany rehefa manafika ny zandary kanjo tetika saika hitsoahana sy hamonoany ilay zandary anefa izany.  Voatery niaro tena ilay mpitandro filaminana. Maty i Farakely.

Araka ny fampitam-baovaon’ny zandary dia isan’ireo jiolahy rain-dahiny tamin’ny resaka fanafihana sy vono olona tany amin’iny faritra Vakinankaratra iny raha ity Farakely ity. Efa ela nifampitadiavana azy araka izany saingy nahay nilefa sy niafina foana ny lehilahy. Tompon’antoka tamin’ny fanafihana niharo vono olona tao Ambohimanambola ny volana aprily 2025 ingahy ary efa nokarohina. Tapa-bolana lasa izay dia nanao fanafihana nitam-piadiana tao an-toerana indray Ingahy Farakely sy ny ekipany. Dimy mirahalahy izy ireo, hoy ny, zandary ary mbola misy amin’izy ireo no tsy ampy taona akory. Nandamoka ny fanafihana tamin’io satria dia saika voasambotra avokoa ry zalahy. Tao anatin’ny famotorana dia nilaza ny hanoro ny toerana fanafenany ireo basy fampiasan’izy ireo amin’ny fanafihana Ingahy Farakely. Tonga tany an-toerana anefa dia nikasa ny hampiasa ilay basy mahery vaika tamin’ireo zandary ity jiolahy ity. Tsy nahavoa anefa ary ny an’ireo mpitandro filaminana no tonga aloha. Naratra voan’ny bala Ingahy. Noezahina nentina nihazo toeram-pitsaboana ihany, hoy hatrany ny zandary, saingy indrisy fa tsy tana ny ainy.

Heverina fa hilamindamina amin’izay ireo tantsaha any an-toerana taorian’izao vokatra azon’ny zandary izao. Nampitondra faisana olona maro mantsy izy, hoy hatrany ny vaovao.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici