
Nanatanteraka fivoriana niarahana tamin’ireo sokajin’olona maro isan-karazany ny avy eo anivon’ny fitaleavam-paritry ny fahasalamam-bahoaka
Betsiboka mba fanatsarana sy fanadiovana ara-pitantanana ny eo amin’ny sehatry ny fahasalama. Nanatanteraka fivoriana niarahana tamin’ireo sokajin’olona maro isan-karazany aty amin’ny faritra Betsiboka ny avy eo anivon’ny fitaleavam-paritry ny fahasalamam-bahoaka. Izany no natao mba hisian’ny fanatsarana sy fanadiovana ara-pitantanana eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ho miantefa amin’ny filan’ny vahoaka. Tapaka nandritra ny fihaonana amban’ny tafon-trano nisy teto, fa hisy ny fanamboaran-dalana mihazo eny amin’ireo tobim-pahasalamana eto Maevatanàna an-tapon-tanàna, tony ny lalana eny amin’ny CHRR Maevatanàna sy ny hôpitaly Ambodimadiro, izay mampitaraina ny mponina aty an-toerana.Tao amin’ny efitranom-pivorianan’ny prefektiora aty Maevatanàna moa nanatanterahana izao hetsika izao ny omaly Alatsinainy faha 23 Martsa taona 2026 lasa teo iny, tokon’ny tamin’ny efatra ora hariva nanombohana, izay naharitra ora maro nandritra fanehoan-kevitra. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra fa Atoa préfetn’i Maevatanàna no mitarika izao loabary an-dasy an-tabatra boribory niarahana amin’ireo herivelona rehetra izao, mba hikarohana vahaolana.
Ratantely


