- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTanà : Tsisy lera intsony ny kamiao

Tanà : Tsisy lera intsony ny kamiao

Tsy eny amin’ny lalam-pirenena akory fa eto Tanà.

Lasa samy manao izay tiany tanteraka ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra, tsy antoandro tsy alina. Ny tsikaritra dia miditra amin’ny andro mazava ary mivezivezy eny rehetra eny koa ny fiarabe, indrindra fa ny kamiao mpitatitra entana. Tsy misy manisy sira intsony izany ny didin’ny kaominina izay manisy lera ny fotoana hahafahan’izy ireny mihetsika eto an-drenivohitra sy ny kaominina sasany manodidina. Vokatr’izany dia tery ny làlana ary lasa miafy manaraka ny fandehahan’ireo kamiao mora ny fiara madinika. Ny setroka mainty efa tsy lazaina intsony. Manampy trotraka koa ny làlana simba sy ny fisian’ny sarety atosik’olona sy ny kodiaran-droa sy ny bisikileta. Ny fiara « occasion » izay hamidy eto an-drenivohitra rehefa navoaka ny seranan-tsambon’ny Toamasina manginy fotsiny. Saretin’omby mivezivezy sisa angamba dia feno tsara ny sary maneho ny fikorontanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo sy ny manodidina azy. Sempotra tanteraka ny renivohitra hany ka raha vao misy fanamboaran-dàlana kely iray, toa ny etsy Anosy, dia Antananarivo iray manontolo no tsy mihetsika intsony amin’ny fifamoivoizana. Fa aiza ireo manam-pahaizana nianatra momba ny fifamezivezena an-tanan-dehibe no tsy mba mandroso sosokevitra. Betsaka ny olona no vao mivoaka ny vavahady ny fiara tsy afa-mihetsika intsony. Fa aiza koa ireo manam-pahaizana amin’ny serasera izay mba tokony hanentana ny olona tsy hampiasa fiara raha vitsy no hitaingina azy ? Mila mandinika akaiky ny fitondràna fanavaozana satria raha ireo mpampiasa làlana efa tena leo toham-boivoy ireo no mihetsika dia ho sarotra ny handaminana azy.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici