
Nitrangana vono olona mahatsiravina tao amin’ny fokontany Marofinaritra, Mananjary, omaly. Vehivavy iray niaraka tamin’ny zanany no hita faty tao an-toerana.
Nampihoron-koditra tanteraka ny zava-nisy tao amin’ity fokontany iray tao Mananjary ity, omaly. Raha ny fampitam-baovaon’ny namana avy any an-toerana dia mpanasa lamba iray no nahitsikaritra ny zava-nisy omaly maraina, ary nampandre haingana ny tompon’andraikitra. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny mpitandro filaminana ary tranga nampiravarahontsana no nitsena azy ireo. Vehivavy iray tokony ho 43 taona, niaraka tamin’ny ankizivavy iray tokony ho 5 taona teo ho eo, nitsirara tao anaty rà mandriaka. Efa samy tsy nisy aina intsony. Tsindron’antsy maromaro no niantefa tamin’izy mianaka ary izay nitondra azy ireo tany amin’ny varo-tsy mifody izao.
Raha ny vaovao nampitaina hatrany dia mpianaka izy ireo, ary vahiny tao an-toerana, avy any amin’ny faritra Fianarantsoa iny. Hatreto dia tsy fantatra mazava ny anton’izao vono olona izao : valifaty, fanafihana niharo vono olona ? Efa eny am-pelantanan’ireo mpitandro filaminana moa ny raharaha ary efa eo am-panaovana fanadihadiana mahakasika izany izy ireo, hikarohana ireo izay nahavanon-doza. Ny vatana mangatsiakan’izy ireo mianaka kosa dia nentina nihazo ny tranom-paty tany an-toerana.
m.L




