Nanaitra ny rehetra tao Ambataria kaominina ambanivohitra Ambohimilanja distrikan’i Marolambo ny nanjo ity ramatoa be iray 55 taona mipetraka ireny tao aminy nisy namono notetitetehan’ireo nahavanon-doza. Tsy hay na famaky na antsy be no nampiasainy nandritra izany, fa tena nahatsiravina ny nahita ny fatin’ilay ramatoa be. Mandeha ny fanadiadiana ankehitriny aman-tarana izay nahavanon-doza, satria voalaza fa mpampianatrta ity ramatoa ity, ka tsy fantatra na ireo mpianany tezitra, na ny vadiny na ireo manodidina azy noho adin’ny fiaraha-monina no nahjavanona ny loza. Ny nanaitra ireo mpanao fanadiadiana fotsiny dia tsy zavatra very tao an-tranon’ilay ramatoa be mpampianatra tamin’ny fotoana nahitana azy. Izay no mampihaihay ireo mpanao fanadiadiana fa ireo olona akaiky azy ihany no nahavanona ny loza, dia nanao fihetsika ny tsy hampiahiahy ireo mpanao fanadiadiana. Ho hita eo ny tohiny…
Malala Didier




