Loza no nitranga teo anivon’ny jirama ny talata maraina fa niharan-doza ireo mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina miara-miasa amin’ny jirama amin’izao fanarenana an’i Toamasina izao. Nihantona teny ambony andrin-jiro ity lehilahy iray mpiasa raha tratran’ny herinaratra tampoka, ka nihantona teny mifanakaiky amin’ny « transformateur ». Tonga nanavotra azy teny ampihantonana teny ny sampana mpamonjy voina avy ao amin’ny kaominin’i Toamasina, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitry ny jirama notarihan’ny tale rezionaliny, ary ireo vahoaka nahita ny loza nitranga satria teny amin’ny sampanana Ambanamanasy mifanila amin’ny tobin-tsolika Jovena no nitrangany. Avotra soa aman-tsara ity lehilahy may ny herinaratra ity, ka nisy ny fitondrana azy teny amin’ny sehatry ny vonjy taitra ny hopitaly be Toamasina. Raha ny vaovao voaray dia ny tanany roa no tena may ka mbola mikainkona izany hatramin’izao. Teo am-pandraisina ilay taribian-jiro hanamboatra izany indrindra mantsy izy izao may ny herinaratra izao. Efa manara-maso akaiky izao fahamaizana vokatry ny herinaratra izao ireo tompon’andraikitra eto Toamasina, satria fanarenana taorian’ny rivodoza izay tokony ho tapitra ny 31 mars teo ity natao ity, nefa hatreto dia mbola tsy vita izany ka lasa mampitaraina ny vahoakan’i Toamasina miaina ao anaty haizina, nefa asa tsy hikoropahana ny asa herinaratra fa mitera-doza tahaka ity nitranga ity. Miara-misalahy amin’ny jirama amin’izao fanarenana ireo ny banky iraisam-pirenena, ka maro ireo orinasa mpiara-miasa amin’ny jirama ao anatin’izany. Ankoatra izay dia nitrangana fitselarana ihany koa ireo taribian’ny jirama tao Dépôt 4ème teny ny talata maraina teo. Raiki-tahotra avokoa ireo mpandalo rehetra nahita izany ka niezaka samy niantso jirama avokoa. Taorian’izany dia namoaka antso ny jirama ho an’ireo olona mampiasa fitaovana fihariana herinaratra ny tsy hanao ny « dijoncteur » mifandray amin’ny an’ny jirama fa atao miantoka izany, fa lasa miverina ilay herinaratra.
Malala Didier




