- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsimandaingo - Maevatanàna : Tsy marina ny filazana fa maty voatifitry ny miaramila...

Tsimandaingo – Maevatanàna : Tsy marina ny filazana fa maty voatifitry ny miaramila ireo olona maty tany an-toerana

Nitondra feo manoloana ny resaka re etsy sy eroa iniana ahely sy anakomana ny marina any amin’ny fokontany Tsimandaingo, kaominina ambanivohitra Mahazomà, ato anatin’ny disitrikan’’i Maevatanàna Atoa Rakotoarisaina Raymond sy Randrianarisoa Gilbert dit Razily, nilaza nanao hoe : tsy marina ny filazana fa voatifitry ny miaramila nandritra ny fampiharana ny didim-pitsarana tamin’ny faha 24 Janoary taona 2026 teo no nahafaty ireo olona roalahy tamin’izany. Satria misy porofo manamarina ny zava-niseho ny eo anivon’ny filoham-pokontany sy ny fokon’olona ao Tsimandaingo, ary ireo Zandarimariam-pirenena miasa eto Maevatanàna nanatanteraka ny fitsirihana ny razana, raha ny fanazavana hatrany. Teo ihany koa ny fanatrehan’ireo miaramila avy any Tsiroanomandidy ny zava-nisy nandritra izany. Raha hojerana, hoy ireto farany, ny zava-nitranga isaky ny fampiharana ny didim-pitsarana, izay hamerenana ny omby voarakotra ao anatin’izany, dia misy andian’olona manakarama dahalo manao faneligelenana amin’ny fampiharan’ny fanjakana izany any an-toerana hatramin’izay. Etsy an-daniny ny fisamborona olona sy fanagadrana, ataon’ireo an-dian’olona miara-miasa amin’ny manam-pahefana aty amin’ny renivohitry ny faritra Betsiboka. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra fa manao antso avo amin’ireo tompon’andrakitra mahefa ambony mba hijery akaiky ny tena zava-misy any Tsimandaingo, izy roa lahy voalaza anarana etsy ambony no nanamafy hatrany fa tsy misy hidiran’ny resaka ady lova ny tena zava-nitranga any an-toerana.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici