- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntanifotsy : Roa lahy voasambotra niaraka tamin’ny rongony 8 kilao

Antanifotsy : Roa lahy voasambotra niaraka tamin’ny rongony 8 kilao

Niainga tamin’ny fampitam-baovao avy amin’ny olon-tsotra ny fisamborana. Nampandre ireo ny amin’ny fisian’ny dimy lahy mikasa hivarotra rongony avy any Antsampandrano-Atsimo. « Natao avy hatrany ny sakan-dalana teo Antanambao, fkt ao ihany, kaominina  Antanifotsy, izay notarihan’ny lehiben’ny zandary ao Antanifotsy », raha araka ny tatitry ny zandary. Nisy vokany tokoa izany, satria sarona ny olona roa izay nitondra rongony milanja valo kilao. Nafenina tao anaty kitapo izany ary mbola nalentika tsara tao anaty gony indray avy eo. « Niaiky izy roa lahy fa azy ireo rongony ireo ary saika hotaterina eny Ambohimandroso mba hamidy. Ny telo lahy voalaza fa namany kosa dia mbola karohina », hoy hatrany ny zandary. Natao andrimaso avy hatrany ireo olona ary  nogiazana ireo rongony. Mbola mizotra any amin’ny fikarohana ireo namany sy ireo saika handray ny rongony ny fanadihadiana. Isan’ny nampiasaina ny fitsirihina ny antso izay nataon’ireo ka mety misy nifandraisany tamin’ity varotra zava-mahadomelina ity. Isan’ny mbola ady mafy ny fiparitahan’ny rongony satria anjakan’ny kolikoly. Mandeha amin’ny lalam-pirenena izy ireny rehefa miainga avy any atsimo. Mitady hirika hatrany ireo olon-dratsy amin’ny fitaterana ny entana ary isan’ny manamora ny asan’izy ireo ny fampiasàna vola.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici