- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsy filaminana eto Toamasina : Manararaotra ny haizina ireo mpanendaka

Tsy filaminana eto Toamasina : Manararaotra ny haizina ireo mpanendaka

Tsy misy toerana tsy mampitaraina ireo mpandalo ireo toerana maizina vokatra ny asa ratsin’ireo mpanendaka ato Toamasina amin’izao fanamboarana ny simban’ny rivodoza izao. Ny alin’ny alarobia nifoha ny alakamisy teo izao tao Mangarivotra dia efa-dahy be izao mpanendaka finday an’ireo tratra alina. Maivoka izay tratra mandritra izany, fa alain’izy ireo izay azony alainy rehetra any amin’ireo tratra alina. Ity tranga tao Mangarivotra ity kosa dia ireo jiolahy indray no nahita ny loza ; satria tamin’ireo efa-dahy mpanendaka dia tratran’ireo fokonolona ny iray ka niaran’ny fitsaram-bahoaka nandritra izany ka naratra mafy. Ireo telo namany kosa tafatsoaka ; fa ilay iray nahitana « filo (fanjaitra) » mihitsy nandritra ny fahazoana azy, izany hoe tena voa mafy izy nandrira izany satria niboba rà mihitsy ny endriny. Taorian’ny rivodoza sy tao anatin’ny haizina naterany dia tsy misangy amin’ireo mpanendaka tratrany mihitsy ny olona. Saika isan’andro mantsy dia misy miantso vonjy noho ny fanendahana mahazo azy eo amin’ity toerana nahatrarana ity mpanendaka  ity. Ankoatra izay dia saika ahitana tsy filaminana avokoa izay toerana mazina rehetra eto Toamasina, hany ka saika miambina aliny avokoa ireo fokontany eto Toamasina ho fisorohana ireo halatra sy fanendahana mpitranga.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici