- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversPaska Antsirabe : Tao anatin’ny haizina tanteraka

Paska Antsirabe : Tao anatin’ny haizina tanteraka

Sambany tao anatin’ny 60 taona ! Tao anatin’ny haizina no niatrehan’ny mponin’Antsirabe sy ireo vahiny tonga hankalaza ny fetin’ny Paska teto Antsirabe. Ny Alakamisy alina alohan’ny paska no nanomboka ny fahatapahana ary tsy niverina raha tsy ny Alatsinain’ny paska maraina. Fantatra fa mbola misy ireo fokontany, sy faritra sasantsasany no tsy mbola niverina ny herinaratra. Hatezerana ny an’ny maro, vitsy mpanjifa ny mpivarotra teny amin’ny manodidina ny gara. Ny tena loza dia maro no simba ny fihariany , rava tanteraka, tsy nisy vola niditra niatrehana ny fety satria ny vokatra izay nantenaina hamidy tamin’ny andron’ny Paska no simba tsy azo namidy intsony, isan’izany ireo mpivarotra « glace, yaourt », rehefa sakafo mila vata fampangatsiahana dia tsy nisy noraisina avokoa. Isan’ny tena nitondra takaitra ireo mpivarotra trondron-dranomasina sy mpamokatra yaourt fa dia lo ny entana. Sombiny tamin’ny fahavoazana nitranga teto Antsirabe ireo raha tsy hilaza afa-tsy izay. Naneho ny tsy fankasitrahany ny zava-nitranga ny mponina teny Mahazoarivo tamin’ny alalan’ny fandorana kodiarana teo ampovoan-dalana, tsy nisy aloha ny fihoaram-pefy sy fananaraotana nataon’ny tonta kely fa voafehin’ny vahoaka ny fihetsiketsehana, nihetsika koa ny mponina teny Talata Andraikiba nanao toy izany. Tsy misy ny fandraisana andraikitra amin’ny « situation d’urgence » hoy ny mpaneho hevitra, tokony maka lesona ny orinasa Jirama amin’ny trangan-javatra toy izao indrindra ny fifehezana serasera fa tsy hionona amin’ny tambajotra serasera facebook. Nitodika tany amin’ny fiadidian’ny tanàna ihany koa feon’ny vahoaka fa tsy nandrenesam-peo ny ben’ny tanàna nanaloana ireny fahatapahan-jiro lavareny ireny raha tsy efa niverina ny herinaratra vao naneho hevitra tamin’ny alalan’ny  tambajotra facebook niarahaba « Joyeuses Pâques ». Tsy nandrenesam-peo kosa ny solombavambahoaka, fa variana nanao fety angamba,  ny lehiben’ny faritra moa niezaka nanatona ny vahoaka ihany saingy diso tara.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici