
Tsy niandry ela fa raha vao tapitra ny fe-potoana nahafahana nitazona azy amin’ny valam-pamonjàna dia natolotra ny fampanoavana avy hatrany ilay olom-boafidy. Omaly no nohainoan’ny mpitsara ary teo ihany koa dia nivoaka ny fanapahan-kevitra dia ny fametrahana azy ho eo ambany fanaraha-mason’ny fitsaràna. Tomefy olona ny toerana nandalovany. Na ny toerana nisy ny biraon’ny mpitandro ny filaminana izany na ny fitsaràna tao Ambositra. Polisy maro no nisahana ny fiambenana azy. Mbola tsy fantatra omaly ny daty handehan’ny raharaham-pitsaràna. Raha tsiahivina dia tao anatin’ny Paska no nisamborana ilay olom-boafidy ka nahataitra ny maro ny zava-nitranga. Nentin’ny polisy avy hatrany tao amin’ny biraon’izy ireo. Notazomina tao nanomboka teo. Raha ny vaovao azo mahakasika ity raharaha ity dia tsy misy nidiran’ny mahaolom-boafidy azy ny antony. Fitoriana avy amin’ny eglizy katolika (EKAR) ao an-toerana noho ny fitrongisany hazo sy zanakazo naniry teo ambonin’ny tanin’iretsy voalohany no nitarika ny disadisa. Efa nampanantsoina izy mba hiatrika fampanoavana ny 16 martsa, rehefa vita ny fampahafantarana azy. Tsy nipoitra anefa izy. Naverina indray izany fampahafantarana izany ny 24 martsa ary dia mbola tsy hita ihany. Tonga tamin’ny dingana fisamborana nony farany ny polisy rehefa nahazo alàlana tamin’ny fampanoavana. Vetivety dia niely tamin’ny tambajotra sosialy ity tranga tany Tsarasaotra-Ambositra ity. Mbola tsy voafafa anatin’ny lohan’ny mponina any amin’iny faritra iny rahateo ny nanjo ny ben’ny tanàna iray izay novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tamin’ny taon-dasa. Mailo avy hatrany ny olona ary nitady vaovao marim-pototra momba ilay fisamborana. Nitondra fanazavana ny tonia mpampanoa lalàna ao an-toerana izay vao nazavazava tamin’ny sain’ny olona ny raharaha. Mbola arahin’ny olona akaiky hatrany ny raharaha izay hifanandrinan’ny eglizy katolika ao an-toerana sy ity ben’ny tanàn’ny Tsarasaotra, kaominina iray eo anivon’ny distrikan’Ambositra.
D.R




