- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkazotoho : Tsena voatafika, lasa ny vola

Ankazotoho : Tsena voatafika, lasa ny vola

Efa-dahy ireo jiolahy ary nirongo basy poleta vita gasy miisa roa, tsy nisy nisaron-tava. Tokony ho tamin’ny sivy ora maraina tany ho any, omaly, no nitranga ity fanafihana mitam-piadiana ity tetsy Ankaditoho, kaominina Anosizato Andrefana. Tranombarotra iray no lasibatra tamin’izany.

Folo minitra teo ho eo taorian’ny fampandrenesana azy ireo no tonga teny an-toerana ny zandary saingy efa nadio ny rano nitànan’ireo olon-dratsy. Tao anatin’izay fotoana izay anefa dia efa nahavita nanao izay danin’ny kibony tao amin’ilay tranombarotra izy ireo. Raha ny fampitam-baovao azo dia nanao an-keriny niditra an-tsena izy efa-dahy ireto. Na dia tsy nanao saron-tava aza, hoy ireo teny an-toerana dia olona mbola vaovao tamin’ilay lasibatra sy ireo manodidina. Tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia namoaka basy tany am-balahany izy ireo ary nanambana ny mpitantana ny tsena sy nandroahana azy hamoaka ny vola. Nentina ny tahotra rahateo ireo olona tao anatiny ka namoaka ny vola maty rehetra tamin’iny maraina iny. Raha ny voalaza dia vola manodidina ny 5 hetsy Ariary niaraka tamin’ny finday maromaro no lasan’ireo olon-dratsy. Nitsoaka toy ny tsy teo moa izy ireo taorian’izay, nihazo iny lalana mankany amin’ny Fasan’ny karàna iny. Nanao ny fanenjehana avy hatrany ireo mpitandro filaminana ary nisy ny fampandrenesana ireo pôlisy miasa amin’iny faritra iny. Saingy hatreto aloha dia tsy mbola hita tany nanjavonana izy ireo. Mbola mitohy hatrany ny fikarohana, hoy hatrany ny fampitam-baovao azo.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici