Vatana mangatsiaka nitsirara tao anatin’ny rà mandriaka no nitsena ny olona vao maraina, tao Antsahabe Sahamalaza, kaominina Ambohimanambola, distrikan’i Betafo, ny andron’ny alarobia teo. Nahitàna ratra toy ny tsindrona zava-maranitra ny vatany ary nivoaka ny rà ny vavany. Nampandrenesina avy hatrany ny mpitandro filaminana.
Novonoina. Tsy nisalasalàna fa tena niniana novonoina ity lehilahy 58 taona ity ary efa nisy ny olona nohahiahian’ny fianakaviana ho tompon’antoka tamin’izany. Tamin’ny fotoana nahatongavan’ny mpitandro filaminana tany an-toerana, moa raha ny voalaza dia efa nentin’ireo fianakavian’ny maty niakatra tao Ambohimanambolany razana ary tao no nataon’ireo mpitsabo ny fitsirahana izany, izay nanamafy ny vono olona niseho. Nisy ratra teo amin’ny lohany, teo amin’ny tratrany ary tao amin’ny lamosiny, araka ny fampitam-baovao azo. Taorian’ny fitsirihana moa dia efa natolotra ny fianakaviana ny razana.
Marihana fa tsy nijanona fotsiny tamin’ny ahiahy ireto fianakavian’ity lehilahy hita faty ireto fa efa niroso avy hatrany tamin’ny fisamborana an’ilay olona mety ho tompon’antoka. Natolotra avy hatrany ny zandary izany olona izany ary efa arahi-maso ao amin’ny tobim-paritra ao Ambohimanambola, araka ny vaovao azo hatrany. Efa mandeha kosa ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity any an-toerana, ary efa nampahafantarina ny dosie ny mpitsara tompon’andraikitra any.
m.L




