- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversItaosy : Vehivavy roa hita faty, natsingevan’ny rano

Itaosy : Vehivavy roa hita faty, natsingevan’ny rano

Vatana mangatsiaka no roa be izao no hita teny amin’iny faritra Itaosy iny ny herinandro teo. Teny Ambohidrapeto, vehivavy iray manodidina ny 50 taona teo ho eo no hita faty tao anaty dobo, ny talata lasa teo. Ny ampitson’io, ny alarobia dia vehivavy iray ihany koa, manodidina ny 30 taona no natsingevan’ny ranon’Ikopa, tetsy Ambaniala. Raha ny voalaza dia saika fahafatesana an-drano, fahasemporana avokoa, no nahazo ireto vehivavy ireto fa tsy nisy nahitàna ratra na vono akory.

Tamin’ny 11 ora sy sasany atoandro teo, ny andron’ny alarobia no nahazo antso ny zandary, mahakasika ilay fatim-behivavy hita tetsy Ambaniala.  Nidina avy hatrany teny an-toerana izy ireo niaraka tamin’ny mpitsabo. Somary manamorna ny vahalava fandehanan-tongotra no nahitàna azy manamorona ny reniranon’Ikopa iny. Tamin’ny fahatongavan’ireo tompon’andraikitra teny an-toerana dia efa nampiakarin’ireo fokonolona ny razana. Marihana fa tsy mponina eny an-toerana izy ity, tsy misy mahafantatra ary tsy nisy taratasy mety ho namantarana azy ihany koa tany aminy. Vinavinaina ho ilay vehivavy maty an-drano nifampitadiavan’ny mpamonjy voina, ny omalin’io teny amin’ny tetezan’Anosizato izy io, hoy ny mpitandro filaminana.

Ilay tetsy Ambohidrapeto indray, dia mpandroaka vorona handeha hody no nahita ilay vatana mangatsiaka natsingevan’ny rano, tao anaty rano miandrona miendrika dobo ary nahatratra hatrany amin’ny 2 metatra tany ho any ny halaliny. Raha ny fantatra dia mponina eny amin’ny manodidina ihany ity renim-pianakaviana ity ary efa nanomboka ny alatsinain’ny paka teo izy no tsy hita, raha tsy io talata hariva io. Voalaza fa manana fahazarana somary misotrosotro kely ilay ramatoa rehefa avy manao lahasaha eny an-tsaha sy rehefa fety. Vinavinaina ho nianjera araka izany izy ary tafalatsaka tao anatin’io dobo io. Efa tonga teny an-toerana moa ireo mpitandro filaminana niaraka tamin’ny mpitsabo nanao ny fitsirahana. Ary natolotra ny fianakaviana ny razana taorian’izay.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici