Nivoaka tamin’ny fahanginany ny lehiben’ny zandary any amin’iny faritra iny ary nanazava fa efa mandeha ny fanadihadiana ireo olony izay mety ho voarohirohy tao anatin’ny fidarohana olona izay nitarika fahafatesana. Tsy hiaro izay tompon’andraikitra amin’izany ny zandary raha araka ny fanazavana. Etsy ankilan’izay, manentana ny olon-tsotra ihany koa ity vondron’ny mpitandro ny filaminana ity mba hanome vaovao azy ireo momba ny fahaverezan’ny basin’ny zandary nandritry ny fifanjevoana. Raha tsiahivina dia adiady tao anaty toeram-pilanonana no nitranga ary niteraka fahaverezan’ny basin’ny zandary iray izay voalaza fa mamo. Niantso ny namany izy ary raikitra ny daroka isan-karazany izay nitarika fahafatesan’olona. Tezitra koa ny olona ary nentin’izy ireo nitety tanàna tao Antalaha ny razana. Nitodika tany an-toerana haingana ny mason’ny mpanara-baovao nanomboka teo. Nidiran’ny olom-boafidy sy olom-boatendry tao amin’ny faritra ny raharaha ary voaara-maso arak’izany. Handrasana ny fivoaran’ny fanadihadiana tsy mitanila ary koa ny fiakaran’ny raharaha eny amin’ny fitsaràna.
D.R




