- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatomitsangana – Betsiboka : Omby halatra 20 azon'ny Zandary teo am-pelatanan'ireo jiolahy

Ambatomitsangana – Betsiboka : Omby halatra 20 azon’ny Zandary teo am-pelatanan’ireo jiolahy

Ny Alakamisy maraina lasa teo iny, tokony tamin’ny 09 ora tany ho any dia nahazo antso an-tariby mikasika ny halatr’omby niseho, tany amin’ny manodidina ny kaominina ambanivohitra Isinko, any amin’ny disitrakan’i Tsaratanàna, ato anatin’ny faritra Betsiboka ny Zandary miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra Isinko no niroso tamin’ny sakana tao amin’ilay toerana iray tao hoe: Ambatomitsangana, mety ho lalan-kizoran’ireo jiolahy nitondra ny omby halatra roapolo, niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana toy ny: Zava-maranitra, basy vita gasy iray. Tampoka teo anefa dia nahatazana azy ireo nitondra ny omby halatra ny mpitandro ny filaminana sy ny vatan-dehilahy niara- nanao ny sakana, tamin’iny toerana iray voalaza etsy ambony, ka raikitra ny fifampitifirana. Vokany: Rehefa tsy naharesy tosika nandritra fifandonana ny malaso dia nitsoaka nandositra no sady navelan’ireo teo ny omby 20 nangalarina, izay mbola teny am-pelatanany. Tsy nisy kosa ny naratra sy ny aina nafoy tamin’ireo vatan-dehilahy sy ny Zandary. Taorin’izay dia nomena ny tompony, ireo omby rehetra tafaverina tao anatin’ny fifanjevonana no mitohy hatrany ny fikarohana sy ny fanangonam-baovao momba ireo navanon-doza. Ny fanadihadiana mikasika ity tranga ity, dia noraisin’ny  » Borogadin’Andriamena  » an-tanàna.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici