29 taona ny lehilahy, manambady ary mipetraka eny amin’iny faritra Marobiby, kaominina Fiombonana, Itaosy iny. Voatery nosamborin’ny zandary izy ny zoma lasa teo noho ny izy noahiahiana ho nampiahatra herisetra ara-nofo tamin’ireo zana-badiny sy taizany tao an-trano, araka ny fampitam-baovaon’ny zandary. Zazavavy 12 ka hatramin’ny 17 taona ireto niharan’ny herisetra ara-nofo ireto.
Talohan’io, ny andron’ny alakamisy teo, dia niova tsy toy ny mahazatra ny fihetsik’i R., ankizivavy kely vao 13 taona. Ilay ankizy be resaka sy sariaka lalandava iny, no lasa malok’endrika tampoka. Tsikaritry ny mpiray monina izany ary rehefa nanontaniana izy dia latsa-dranomaso nilaza ny fampijalian’ny raikeliny azy. Tsy vitan’izay hoe fampijaliana anefa dia tonga hatrany amin’ny herisetra ara-nofo mihitsy. Na dia tsy nety niteny nivantana ny zavatra nianjady azy aza anefa i R. dia nitantara kosa izy fa tsy izy ihany no niharan’izany fampijaliana sy herisetra izany fa efa nampiharan’ireo raikeliny io ny filàny ihany koa ny « cousine »-ny, antsoina hoe A. 16 taona. Tratran’ny zokiny vavy mihitsy izy ireo tamin’izany ary efa teo am-panondrotana pataloa ilay raikeliny no hita. Efa nolazaina tamin’ny renin’izy ireo saingy tsy nisy andraikitra noraisin’ity farany. Nipetraka teo ny ahiahian’ireo nitantaran’ity ankizivavikely ity ny zavatra nianjady tamin’izy ireo : mety efa nampiharan’ity lehilahy ity ny filan-dratsiny avokoa ireo ankizivavikely tao an-tranony. Marihana mantsy fa zana-badiny ny anankiroa ary « cousine »n’ireto farany, nalain’ireto mpivady ireto ho taizany ny roa hafa. Miaraka ladina an-tany avokoa izy rehetra ary amin’ny alina no hampiharan’ilay raikeliny ny toetra ratsiny.
Nampandrenesina avy hatrany ny zandary taorian’izay, ary niroso tamin’ny fisamborana avy hatrany. Notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana tao amin’ny biraon’ny zandary ity raim-pianakaviana ity. Izy efatra mirahavavy niharan’ny herisetra ara-nofo kosa dia efa noraisina an-tanana teny amin’ny Centre vonjy Befelatanana.
Adidy sy andraikitry ny rehetra tokoa, araka ny voalazan’ny lalàna, na ny fehezan-dalàna famaizana nohavaozina izany na ny fehezan-dalàna miady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy, ny mampilaza avy hatrany ny tompon’andraikitra na ny mpitandro filaminana raha misy tranga herisetra hita, indrindra fa ny herisetra ara-nofo mihatra amin’ny zaza tsy ampy taona. Raisina ho firaisana tsikombakomba amin’ilay nahavanon-doza kosa ny fahafantarana sy fahitàna izany kanefa tsy nisy fampandrenesana ireo manampahefana.
m.L




