
Fiara raitra izay nampiasain’ny mpitondra teo aloha ny Mercedes Maybach Class S izay tombanana ho 280.000 dolara ny vidin’ny iray. Omaly dia hita teo amin’ny làlan’Antananarivo indray ny sasany tamin’izy ireo nivezivezy. Teo amin’ny làlana Rocade dia notapahina kely ny arabe ary nisy kodiaran-droa nanokatra ny làlana nialoha ny fiara. Ireo fiara ireo dia tsy nihetsika intsony raha vao nirodana ny fitondràna volomboasary. Ny nahitàna azy farany dia teo amin’ny fitoeran’ny fiara, tao anatin’ny lapan’Iavoloha. Avy eo nisy nanetsika ary tsy fantatra intsony izay nasiana azy. Omaly indray vao hita teto amin’ny lalan’an-drenivohitra. Nahavariana ny maro ny hatsarany no sady nanontany teo koa ny mpanara-baovao ny amin’izay tompony ankehitriny. Na izany aza aloha ny fisian’ny kodiaran-droa mpanokatra làlana nialoha azy dia mety manazava fa olona ambony no nentiny. Nisy maromaro ireny karazam-piara ireny ary fanomezana avy amin’ny firenena vahiny. Natao hitondra vahiny manan-kaja nandritry ny fihaonana an-tampon’ny SADC ny 2025 ny tena nampiasàna azy. Rehefa nandalo teto koa ny filoha frantsay dia isan’ny nitaterana azy namonjy ny lapa ny Mercedes Maybach. Ankehitriny kosa dia mbola mipetraka ny fanontaniana ny amin’izay mety hampiasàna azy. Ny hita aloha omaly dia nivezivezy tamin’ny Rocade sy Bypass ny roa ary narovana mafy.
D.R




