Maro ny zava-mitranga teto Toamasina taorian’ny rivodoza farany iny. Henjana loara angamba ny fahantrana sy ny tsy fahazakana tsy misy vola ka betsaka ireo manatao foana amin’ny fiainana. Nitrangan’ny zava-doza mantsy teny amin’ny faritry ny « balance » amin’ny lalam-pirenena faharoa iny ny alin’ny alatsinainy nifoha ny talata teo. Trano fisotroana iray no nalisabitry ny olona 10 lahy tamin’ny halatra, ka tsy nahavita nanohitra ilay ramatoa mpiandry ilay trano fisotroana nandritra ny fandravana. Mody niditra tsikelikely tahaka ireny olona mpisotro zava-mahamamo rehetra ireny izy 10 lahy ary naka toerana iray. Niandry ireo mpisotro hafa tapitra niala tao anatin’ilay efitrano fosotroana izy 10 lahy vao nitsangana fa hoe handeha hody. Kinanjo noravain’izy ireo ilay ramatoa nihazona ny vola na « caissière » ka nahalasa ny vola 3.000.000 ariary tao aminy ; samy nitondra antsy ireto mpandroba nandritra izany. Novakivakian’izy ireo ihany koa ireo zava-pisotro tsy mbola lafo sy ireo fitaovana samy hafa tao amin’ilay trano fisotroana vao niala tao izy ireo. Nilaza ilay ramatoa mpihazom-bola fa soa ihany fa nataon’izy ireo izay tiany fa tsy nikasi-tanana azy ireto mpandroba 10 lahy ; ary lasa izy ireo taoriana izay zava-nitranga izay. Tsy nisy voasambotra moa ireto mpandroba fa mbola manao ny fanadiadiana sy fanaraha-maso azy ireo ny mpitandro filaminana, izay nametrahana fitoriana mikasika ny raharaha.
Malala Didier




