- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFikasàna hanakorontana : Olona 14 nidoboka am-ponja

Fikasàna hanakorontana : Olona 14 nidoboka am-ponja

Somary nangingina ny raharaha ary tsy dia nampahafantarina firy. Nisy olona 17 izay nifandimby nosamborina noho ny fanahiana fifofoana ny ain’ny Filohan’ny Fanavaozana. Nisy vehivavy izay “assistante parlementaire” an’ny solombavam-bahoaka iray, nisy ben’ny tanàna teo aloha izay an’ny kaominina ivelan’Antananarivo, nisy manam-boninahitra ary koa olon-kafa maro. Noraofina hatramin’ny mpiasa an’izy ireo ary notazomina nandritry ny folo andro mahery teny anivon’ny mpanao fanadihadiana tetsy Fiadanana. Teo amin’ny faha-20 martsa lasa teo ireo no nosamborina ary ny voalohan’ny aprily no nentina teny amin’ny fampanoavana. Nidoboka eny Tsiafahy ny lehilahy am-polony ary eny Antanimora kosa ny vehivavy. Raha nafempenina ny fisian’io tranga io dia nampahafantarina ampahibemaso kosa ny fisian’ny fikasàna hafa indray hifofo ny ain’ny Filohan’ny Fanavaozana hatrany. Omaly dia nihaona tamin’ny mpanao gazety ny talen’ny seraseran’ny fiadidiana ny Fanavaozana ary nanamafy fa nisy “drones thermiques” niisa dimy izay naniditsidina teo ambonin’ny tranony. Fitaovana avo lenta izay nampiasaina hitsikilovana sy hikendrena ny famonoana ny Filoha raha ny fanazavana noentiny. “Drones afaka mamantatra ny ao anatin’ny trano iray manontolo ireto tratra ireto. Soa fa nisy « système anti-drones ny tranon’ny filoha. Ankoatra izay dia nambarany koa, araka ny angom-baovaon’ireo mpitandro ny filaminana, ny fisian’ny fikasàna handoro ny lapan’ny Tsimbazaza amin’ny sabotsy ho avy izao. Mazava hoazy fa efa mivonona sy mampitombo fahamailoana ny tompon’andraikitry ny filaminam-bahoaka eto an-drenivohitra manoloana an’izany. Ary matoa nampahafantarina mialoha ny angom-baovao dia hialàna tanteraka  amin’izany asa fanakorontanana izany ary ho fiarovana ny andrim-panjakana.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici