Tsy nanaiky mora ny fisamborana azy ingahirainy fa mbola nikasa hanohitra sy hampiasa ilay antsy lava lela tany aminy tamin’ireo mpisambotra. Voatery nampiasa basy ireo polisy. Dangy ingahy!
Ny talata lasa teo dia lehilahy iray malaza ratsy amin’ny fanendahana eny amin’iny faritra Anosibe iny no lavon’ny balan’ny polisy teny an-toerana rehefa avy nanao ny asa ratsiny. Tamin’io fotoana io, tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany hariva tany ho dia voalaza fa avy nanendaka olona tao anaty taxibe iray teny an-toerana ingahirainy. Tamin’izay fotoana izay ihany koa anefa no tsikaritry ny polisy tsy manao fanamiana, manao fisafoana tsy tapaka eny an-toerana ny zavatra nataony. Tratra am-bodiomby tsy afa-niala intsony. Saingy tamin’ny fotoana nisamborana azy no tsy nanaiky mora izy ka io niafara tamin’ny fandehanany tany amin’ny varo-tsy mifody io. Nanamarika moa ny polisy fa efa jiolahy raindahiny ary mpanendaka hikoizana eny an-toerana sy amin’ny faritra hafa ity lehilahy ity. Efa mpamerin-keloka ihany koa. Ankoatr’izay dia voalaza fa nisy fanafihana mitam-piadiana tsy lavitra teo ary isan’ireo mpanafika tamin’io ingahy. Hita sary tao anaty camera de surveillance mantsy izy ary efa niparitaka teny amin’ny tambazotra sosialy ny sariny.
Fa ankoatra ity mpanendaka maty voatifitra ity dia efa nisy toontakely telolahy hafa ihany koa voapaingotry ny polisy talohan’io teny amin’iny faritra Anosibe iny ihany. Vao avy nanendaka mpiantsena teny an-toerana ihany koa ry zalahy ireto no tojo ireo polisy mpanao fisafoana.
m.L




