Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona indray tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny, tetsy Fenoarivo Atsimondrano. Moto “routiere” roa no nifandona. Vokany, lehilahy iray 34 taona no maty tsy tra-drano. Naratra mafy ary efa nentina nihazo toeram-pitsaboana kosa ilay iray mpitondra moto iray nifandona taminy.
Ny andron’ny alarobia teo no nitrangan’ity loza ity, tokony ho tamin’ny valo ota sy sasany teo maraina tany ho any, teo amin’ny PK11+70, toerana antsoina hoe Antetezankely, fokontany Ambaniavaratra, kaominina Fenoarivo. Lala-mahitsy no mbola azo lazaina ihany koa hoe tsara, raha iny ampahan-dalana miditra an’i Fenoarivo iny. Teo amin’iny mihitsy no niseho ny loza. Somary nandeha mafy ihany ity kodiaran-droa iray handeha hihazo an’i Fenoarivo ity ka teo am-pisongonana fiara iray teo alohany izy no nifanena tampoka ihany koa tamina moto iray handeha hiakatra aty an-drenivohitra, nifanitsy tsara tao anatin’ny zotrany. Tsy tana ny loza …
Mafy dia mafy ny dona, raha ny vaovao azo satria dia niara-nipitika ireo mpitondra moto. Vokatr’izay, naratra mafy ireo mpitondra moto. Potika tanteraka kosa ireto fitaovana nentiny. Samy nentina novonjena haingana nihazo ny hopitaly teny an-toerana moa izy ireo saingy noho ny ratra mafy nahazo azy dia tsy tana ny ain’ilay mpitondra moto saika hisongona fiara. Raha ny omaly dia mbola nanaraka fitsaboana eny amin’ilay hopitaly kosa ilay mpitondra moto iray voadona. Mpitondra moto izay voalaza fa mpitandro filaminana handeha hamonjy ny asany aty an-drenivohitra.
Nidina teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy sy nanokatra ny fanadihadiana avy hatrany moa ny zandary teny an-toerana taorian’ny loza. Izy ireo izay tsy nitsahatra nanentana ny amin’ny fitandremana amin’iny vahalavan’i Fenoarivo iny. Efa hiaraha-mahalala tokoa fa tsy vao izao no nisy lozam-pifamoivoizana mahatsiravina ary saika hamoizana ain’olona foana tamin’izany lalana izany. Voalazn’ireo mponina moa fa hoe musy mistery mahatonga ireo loza ireo. Kanefa rehefa tena dinahana dia mazàna tsy fitandremana’ireo mpampiasa lalana hatrany no mahatonga izany.
m.L




