- Publicité -
mardi, juillet 22, 2025
AccueilFaits-DiversEuros sandoka : Karàna iray karohina

Euros sandoka : Karàna iray karohina

Nividianana whisky teny amin’ny “duty free” ireo vola vahiny euros. Nampiahiahy ny mpivarotra izany. Nantsoina ny mpitandro ny filaminana ary voamarina tokoa fa tena vola sandoka no nampiasain’ilay lehilahy. Rehefa nohadihadiana izy dia nanondro karàna iray izay nolazainy fa mpampiasa azy, sady naniraka azy hividy ilay toaka ihany koa. Tsy hita anefa io teratany vahiny io hatreto. Nanapa-kevitra ny mpanao fanadihadiana ny hiompana amin’ny fikarohana azy mba tsy hiparitahan’ireo vola sandoka euros, izay heverina fa mbola betsaka any aminy. Raha tsiahivina dia nisy karàna ihany koa voasambotra noho ny fanaovana heloka bevava toy izao. Sarona tanteraka niaraka tamin’ny vola sandoka notazoniny sy namboariny io farany ary efa fanindroany aza. Saingy nahazo fahafahana vonjimaika hatrany izy indroa miantoana. Dia io niverina nanao ny asaratsiny, izay raha tsiahivina dia mivandravandra eo amin’ny ravim-bola fa helohin’ny lalàna higadra mandra-pahafaty, ny mpanao vola sandoka…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser