Mitombo isa hatrany ireo tontakely nihazo ny lalan’ny varo-tsy mifody eny amin’iny faritra Anosibe iny. Ny andron’ny alahady teo mantsy, fantatra fa mpanendaka raindahiny indray no nifanehatra tamin’ny pôlisy ary niafara tamin’ny fahafatesany.
Hiaraha-mahalala tokoa ary tsy zoviana amin’ny rehetra mpampiasa lalana, mpiantsena na mpitangina taxibe fa anisan’ny faritra mamay amin’ny resaka fanendahana sy asan-jiolahy raha iny Anosibe iny. Rehefa tsy mahavoa vao maraimbe na ilay harivariva iny ireo tontakely dia ireo mpandeha anaty fiara indray no ataon’izy ireo lasibatra. Tamin’ity indray mitoraka ity dia voalaza fa vehivavy mpivarotra iray avy naka entana maraina teny an-toerana no nataon’ity olon-dratsy ity lasibatra. Soa ihany anefa fa nisy pôlisy nanao hetsika, mifangaro amin’ireo mpiantsena teny an-toerana. Vantany fa nahatazana ny zava-nisy ireo farany dia nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany ary handeha hisambotra an’ingahy. Izy, izay efa ela ihany koa naraha-maso noho ity tovolahy ity efa mpanendaka malaza ratsy eny an-toerana. Tsy nanaiky mora ny fisamborana azy anefa ranamana ary niomana ny hamaly ireo pôlisy manao fanamiana sivily tamin’ny alalan’ny famoahana antsy tany aminy. Tsy maintsy niaro tena ireo mpitandro filaminana, hoy ny fampitam-baovaon’ny pôlisy ka nampiasa ny basiny. Maty voatifitra vokatr’izay ingahirainy. Voalaza moa fa nisy namany niaraka taminy tamin’io fotoana io fa vao nahita ny basy teny am-pelantan’ireo mpitandro filaminana dia rafitra nitsoaka ary tafaporitsaka tanaty elakelan-trano. Efa eo anatin’ny fikarohana sy fanaovana hazalambo azy io moa izao ny pôlisy.
Marihana fa manoloana ireo fitairanana maro isan-karazany izay voarain’izy ireo teny an-toerana dia nanomana io hetsika iray entina hamongorana ireo tontakely eny an-toerana ireo sampana hery vonjy taitran’ny kaomisaria, niaraka tamin’ny kaomisarian’ny boriboritany fahadimy izay miandraikitra ny an-toerana.
m.L




