Nampahafantarina ny daholo be ny talata 14 avril teo ny drafitr’asa ho fampandrosoana ifotony ; ka nanazava ny fandehan’izany drafitr’asa izany am-pahibe-maso ny profesiora Bezara Manacé, izay tompon’andraikitra misahana ny drafi-panarenana ny oniversiten’i Toamasina. Ilaina ny zavatra tahaka izao satria tena mila ny oniversite mandray anjara amin’ny fampandrosoana ifotony ny rehetra. Nanokatra izany teto Toamasina ihany koa ny prosefora Mangalaza Eugene Regis, teo ihany koa ny filohan’ny oniversten’i Toamasina ny profesora Razanakolona Diny, sy ireo mpikambana siantifika ny oniversite, ary ireo mpisahana ny sampamp-pianarana eo anivon’ny oniversite. Tsy diso anjara tamin’izany koa ireo fikambanana samy hafa toy ny Adopt sy ny talen’ny serasera sy ny kolontsaina. Nandritra ny atrikasa no nandraisana ny oniversite ny Toamasina fanampahan-kevitra, tena ilaina ny fandraisana fanapahana fa tena mila ny oniversite ny fampandrosana ifotony, satria mila mifandrindra ny drafi-mpampandroam-panjakana momba ny oniverste sy ny dafi-mpandrosoana ifotony. Izany dafitra izany dia mila fampiarahana sy fanekena ho an’ny mpandrinda ny oniversite sy ny tompon’andraiki-panjakana, ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ; ary ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana mahefa. Neken’ny sampana ara-tsiantifika sy ireo olona niatrika ny fanazavana teo anivon’ny oniversite ilay fandaharanasa ; ka efa manomboka eto izany ny fandrafena azy ho azo ampiharina eto Toamasina, hampandroana ny oniversite sy ny tananan’i Toamasina amin’ny fampandraisana anjara azy ireo ao anatin’izany.
Malala Didier




