- Publicité -
samedi, septembre 5, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohibao : Mpangalatra môtô efa-dahy saron’ny zandary

Ambohibao : Mpangalatra môtô efa-dahy saron’ny zandary

Moto an’ny orinasa fentin-dry zalahy miasa ihany ity notsiriritin’izy ireo mafy ity ka nanaovan’izy ireo operation ny herinandro teo. Tsy niandry ela ihany koa anefa ny valin-kafatry ny mpikaroka fandikan-dalana. Tratra izy ireo.

Teny Ambohibao Antehiroka teny no niseho ny tantara ny 17 aprily lasa teo. Tamin’io fotoana io dia tonga nametraka fitoriana ny tompon’andraikitr’ilay orinasa fa nisy namaky ilay toerana misy an-dry zateo ary very tamin’izany ny moto scooter miisa efatra. Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany ny zandary ary nanokatra ny fanadihadiana. Tsy ela dia nisy ny olona nohahiahiana. Olona mipetraka tsy lavitra ilay orinasa ihany. Natao ny famotorana ity farany ary niafara tamin’ny fibaradahan’ity farany ho isan’ireo nanao ny heloka. Nilaza ny namany ihany koa Ingahy, izay tsy iza fa ireo mpiasa mampiasa ireto fitaovana ireto ihany.

Tany am-boalohany dia nety tsara ny tetika, samy mahafantatra tsara ny fomba famelomana, ny fitoerany ary ny fomba fidirana ao amin’ilay trano mantsy izy telolahy ary ilay teo am-pita no manara-maso mialoha. Samy mibata izay tandrify azy avy amin’izay rehefa tafa ny tetika. Ny tsy nampoizin-dry zalahy dia ny fidiran’ireo zandary tampoka sy fahatratrarana azy mora foana. Raha ny fampitam-bavaon’ny zandary mantsy dia notsimponina tsirairay tany an-tranony avy ry zalahy ireto niaraka tamin’ny moto nangalariny : teny Ankadikely ny iray, tao Ambohibao ny roa, ary teny Ambohijanaka ny iray farany.

Taorian’ny fisamborana dia efa samy natolotra ny orinasa tompony ny moto. Izy efa-dahy kosa nentina namonjy ny biraon’ny zandary, ary notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy ireo. Raha tsy misy ny fiovana dia androany no atolotra eny anivon’ny Fampanoavana ny raharaha.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici