
Tratran’ny reniny tao an-trano mihitsy ity lehilahy ity, avy nampihatra ny filan-dratsiny talin’ilay zanany vavy. Ity farany, araka ny voalaza dia tsy manana hery hanohitra akory. Manana olana ara-pahasembanana mantsy izy.
Ny andron’ny alatsinainy teo no nitranga ity fanolanana ity tao amin’ny fokontany Ambohitremo, kaominina Ambohimanga. Araka ny fampitam-baovaon’ny zandary, tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro tany ho any no nahazo antso izy ireo mahakasika ity tranga ity. Niditra an-keriny tao amin’io tokantrano io mantsy ny lehilahy iray 32 taona, izay monina eo an-toerana ihany. Tsy nisy naheno, ary avy hatrany dia namantana tany amin’ilay vehivavy. Ary saika hampihatra avy hatrany filan-dratsiny. Ny antso vonjin’ilay lasibatra no nanaitra an’ilay reniny ary namonjeny azy avy hatrany. Mbola tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny ity tovolahy ity ary notazomina. Nantsoina avy hatrany ny sefon’ny fokontany taorian’izay. Ity farany no niantso avy hatrany ny zandary. Tsy ela dia tonga teny an-toerana ireto farany ary nisambotra avy hatrany ilay nahavanon-doza. Ity farany rahateo niaiky ny heloka nataony. Nentina avy hatrany ary notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy, nialohan’ny nanolorana ity farany eny anivon’ny Fampanoavana.
Raha ny lalàna velona eto amintsika : ny fehezan-dalana famaizana nasiam-panovàna, ny lalàna mikasika ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy dia henjana dia henjana tokoa ny sazy mihatra ity lehilahy ity. Ny resaka fanolanana amin’ny ankapobeny dia efa mampiditra am-ponja sy mety hiafara amin’ny famosirana. Mbola miampy mafimafy izany raha zaza tsy ampy taona na olona manana fahasembanana no lasibatra.
m.L




