Fahamamoana diso tafahotra miampy hanohanana no voalaza fa nahafaty ity lehilahy ity.
Ny andron’ny talata lasa teo, lehilahy iray manodidina ny 45 taona teo ho eo no hita faty tsy lavitry ny tananan’i Maroarina, fokontany Ambatoasana, kaominina Anativolo, distrikan’Anjozorobe. Nidina avy hatrany teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy ny zandary niaraka tamin’ny mpitsabo.
Marihana fa ny omalin’io, izany hoe ny alatsinainy izy no hitan’ny fianakaviana farany ary io efa vatana mangatsiaka io no tojo azy ireo ny marainan’ny talata. Raha ny voalaza mantsy dia handeha hamonjy tsena teny Antanetibe no antony nialàny tao an-trano. Tsy nody anefa izy ny alin’io.
Tamin’ny fitsirihan’ny mpitsabo ny razana moa dia fantatra fa tsy resaka vono na ratra akory no antony nahafaty ity lehilahy ity fa noho ny alikaola be loatra tao anaty vatany. Nanampy trotraka izany ny hanohanana tafahoatra. Ankevitry ny efa ora maromaro talohan’io nahitana azy io, na ny harivan’ny alatsinainy mihitsy no efa namoy ny ainy ilay lehilahy kanefa io tsy nahita raha tsy ny talata maraina tokony ho amin’ny 7 ora io. Marina fa any amin’ny tananan’Antanantana izy no mipetraka, izay fokontany iray amin’io tanana nahitana ny razana io. Efa natolotra ny fianakaviana moa ny razana taorian’ny fitsirihana nataon’ireo tompon’andraikitra. Nanokatra ny famotorana ary miandraikitra ny fanadihadian kosa ny zandary avy ao Anatetibe Anativolo.
m.L




