- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversItaosy : Ankizivavy mpianatra am-polony maromaro nihetsika ambalavelona

Itaosy : Ankizivavy mpianatra am-polony maromaro nihetsika ambalavelona

Izany « Rakotomanga » sy « Mazava » izany no imenomenonan’ireto ankizivavy mpianatra ireto, fa mitoetra ao aminy. Mpianatra eo anivon’ny Lycée Communautaire iray, eny amin’iny faritra Itaosy, izay itambaran’ny kaominina Fiombonana Ambohidrapeto ary Ankadimanga, ireto voa ireto.

Nandritra iny herinandro iny dia niato tanteraka ny fampianarana tao an-toerana, ary heverina fa hitohy ho amin’ny anio. Ny antony dia noho ny fisian’ny aretina hafahafaha izay mahazo ireo mpianatra, ka ireo ankizivavy manodidina ny 14 ka hatramin’ny 17 taona  no tena lasibatra. Efa ny herin’ny zoma lasa iny no nisy fihetsehana voalohany tamin’ireo mpianatra ka voalaza fa mpianatra efatra teo no voa, tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany maraina teo. « Ankizivavy tsaratsara tarehy sy fotsifotsy fihodirana », hoy ny fampitam-baovao azo. Taorian’io tranga io dia nanapa-kevitra ny tsy hampianatra ny ankizy aloha ny tompon’andraikitra ka tapaka ny teo amin’ny roa andro teo ny fampianarana. Ny alarobia, raha iny hiverina hiditra hianatra iny ireo ankizy no nisy mpianatra vehivavy hafa indray nihetsika. Iray aloha, avy eo nifindra tamin’ny hafa, ary efa nahatratra hatramin’ny folo no tratra. Niditra teny an-toerana avy hatrany ireo tompon’andraikitra, niaraka tamin’ireo ben’ny tanana ary ny zandary. Efa maro ireo ankizy no nihetsika : mahery fihetsika, mitabataba be, ary malemy avy eo.  Nisy aza ireo tsy nahatsiaro tena, efa nobataina fotsiny, hoy ny fampitam-baovaon’ny zandary. Tamin’io fotoana io ihany koa dia nangalàna mpiandry ireo ankizy ary efa niasa tao izy ireo.

Hatreto dia tsy mbola fantatra mazava izay tena antony nahatonga ity zavatra ity, ka nandraisan’ireo tompon’andraikitra fanapahan-kevitra hampitsahatra ny fampianarana tamin’iny herinandro iny. Vinavinain’ny rehetra ho ny fanohizana ny sekoly ka nanamboarana ireo trano fianarana hafa tsy lavitra teo no mety nahatonga azy io. Raha ny voalaza mantsy dia nahitàna fasana tao ambany, tamin’ny fotoana niadiana fototra. Efa nisy araka izany ny fombafomba natao tamin’izay, ary mbola hisy ny fomba hafa hatao ho fangatahana fifonana ara-malagasy. Nandritra izay anefa dia najanona mihitsy koa aloha io fanamboarana io.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici