Ny zoma lasa teo dia olona roa, izay samy mpivahiny tao an-drenivohitry ny faritra Atsimo Atsinanana, no voatery nosamborin’ny polisy tao an-toerana, noho ny fikasana hanaparitaka vola sandoka tany an-toerana. Raha ny voalaza dia vao teo am-piandohana ary niomana ny hampiasa izany vola sandoka izany mihitsy izy roa lahy ireto no tra-tehaka.
Tetik’adin’ireo mpanaparitaka vola sandoka no tsy miasa raha tsy amin’ny alina. Soa ihany anefa fa mailo ireo mponina ka nampilaza avy hatrany tamin’ireo pôlisy mpanao fisafoana mahakasika ireto olona mampiahiahy sy ny vola kasaina hifanakalozana. Nidina avy hatrany teny amin’ny toerana voalaza, ao amin’ny fokontany iray ao Farafangana ihany, ireo pôlisy ary nanomana paik’ady hisamborana azy ireo. Tsy niandry ela tokoa dia tra-tehaky izy roa lahy. Raha ny vaovao azo dia mbola nahitàna ravim-bola roa alina ariary miisa 213 tany amin’izy ireo, izay mitentina 4 260 000 ariary tany ho any, izay samy sandoka avokoa. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny pôlisy ry zalahy, ary nogiazana ireto vola sandoka ireo hatao porofo. Notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy ireo, alohan’ny hanolorana azy eny anivon’ny fitsàrana ho amin’ny andron’ny anio, raha tsy misy ny fiovàna.
m.L




