- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatoroka : Mpanendaka raindahiny, tra-tehaky ny pôlisy

Ambatoroka : Mpanendaka raindahiny, tra-tehaky ny pôlisy

Tontakely efa fanta-daza sy isan’ireo malaza ratsy eny an-toerana amin’ny resaka halatra arahina herisetra no tafiditra tao anatin’ny vela-pandriky ny pôlisy ny alahady lasa teo, teny amin’iny faritra Ambatoroka iny.

Tsy vitsy ny efa lasibatr’ity lehilahy ity, teny an-toerana raha ny fampitam-baovao azo. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa, ela nitoratorahana ingahy ka nifanojo tamin’ny mpitandro filaminana ny alahady lasa teo. Teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy ingahy tamin’io fotoana io, hoy ny vaovao, no voasambotra.

Ao anatin’ny ezaka ho fametrahana ny fandriampahalemana mantsy ny pôlisy ka nisy ny hetsika manokana tanterahan’izy ireo tamin’ireo faritra mafana, anisan’izany ny teny an-toerana, dia izay sahanin’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa. Na andro alina na antoandro na faran’ny herinandro, dia manao fisafoana tsy tapaka izy ireo. Tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro iny no nifanehatra tamin’ity olon-dratsy ity ary avy hatrany dia noraisana ny andraikitra tamin’ny fisamborana. Iry voalohany rahateo koa, tratra am-bodiomby ka tsy afa-niala intsony. Nentina avy hatrany nihazon’ny biraon’ny kaomisaria ingahy, raha ny vaovao azo ary notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy.

Heverina fa hiverina handry fahalemana ary hilamindamin-dratsy indray aloha ireo mponina eny amin’iny faritra Ambatoroka iny taorian’izao fahatratrana an’ity tontakely ity izao. Ny indro kely amin’ny toe-javatra tahak’izao dia toa amam-bolana ihany no isaina. Izay fotoana izay ihany mantsy no hijanonan’ireo mpanao ratsy any am-ponja dia miverina eny anivon’ny fiaraha-monina indray izy ireo, ary miverina amin’ny asa fanaony teo aloha ihany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici