
Ny antoandron’ny alahady no efa nisy nahita setroka teo amin’ny Rovan’Ambohidratrimo Marovatana. Teo aloha dia noheverin’ny olona ho setroka tsotra no nitranga. Rehefa harivariva no hita niledaleda ny afo ary efa tsy voafehy intsony. Ny alina no tonga ny mpamonjy voina ary nanao izay hamehezana ny afo nandritry ny adiny iray sy sasany. Teo koa vao tena maty tanteraka izany. Raha araka ny loharanom-baovao dia ahiana ho nisy nandoro ity Rova ity. Nisy fitaovana mampiahiahy. Na izany aza tsy nisy ny entana very. Fanintelony izay no may ity Rovan’Ambohidratrimo-Marovatana ity. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina sy ny lehiben’ny Faritra ary nanazava fa tsy maintsy hatao haingana ny fanarenana ny toerana. Hisy ihany koa ny fanaraha-maso sy fiarovana ireo vakoka rehetra manerana an’i Madagasikara taorian’ity tranga ity ary torak’izany ny fanabeazana ny vahoaka mba hahafantatra ny maha-zavadehibe ny vakoka ka ho sarotiny amin’ny fiarovana an’izany. Inona no ao ambadiky ny fandorana itony vakoka itony? Mihodidina eo ny fanontaniana fototra izay napetraky ny mpanao fanadihadiana ankoatry ny fikarohana ireo izay nahavanon-doza. Novorin’ny manam-pahefana koa ireo taranaky ny masina (mpanjaka) izay miafina ao amin’ny Rovan’Ambohidratrimo. Tsy voalohany no nisy Rova may (na koa niniana nodorana) toa izao. Sarotra hatrany ny fanadihadianas satria na ny Anatirova aza dia tsy fantatra mazava izay tena atidoha nikotrika efa am-polo taonany maro taty aoriana.
D.R




