- Publicité -
vendredi, septembre 11, 2026
- Publicité -
AccueilRégionsAntsirabe : Banky foiben’ny Madagasikara faha 11 notokanana

Antsirabe : Banky foiben’ny Madagasikara faha 11 notokanana

Ao Tsarasaotra no misy ny BFM Antsirabe ( sary Andry N)

Lanonana roa sosona no notronon’ny filohan’ny fanavaozana ny repoblikan’ny Madagasikara ny sabotsy lasa teo teto Antsirabe. Voalohany ny fanokafana ny faha zato-taonan’ny vola malagasy, faharoa ny ny fitokanana ny masoivohon’ny Banky Foiben’ny Madagasikara eto Antsirabe. Afaka hamatsy ny banky foibe ao Fianarantsoa, Manakara, Morondava ary Toliary ny BFM Antsirabe, efa eo an-dalam-pananganana ny azy kosa ny ao Maroantsetra sy Ambatondrazaka araka ny angom-baovao voaray. Manamarika ny fitombenan’ny toe-karen’ny faritra ny fitsanganan’ny BFM eto Antsirabe, tananan’ny Indostria sy orinasa rahateo eto ary manana fadin-tseranana na tsy misy ranomasina aza, hoy ny ny ministry ny toe-karena sy fitantanam-bola Dr Herinjatovo Aimé Ramiarison nandritra ny fandraisam-pitenenany. Nanambara kosa ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblikan’ny Madagasikara ny kolonely Mickael Randrianirina fa fanantonan’ny raharaharam-panjakana amin’ny vahoaka ny fananganana ny BFM. Hirariana hoy izy ny hitozian’ny zavatra tahaka izao mba hisian’ny tena fanavoazana eto amin’ny firenena. Hisy varavarana misokatra ho an’ny daholobe mandritry ity herinandro ity ao amin’ny BFM Antsirabe, fampiratiana ny asan’ny BFM no hita ao ary ny tantaran’ny vola Malagasy. Ao Tsarasaotra no misy BFM velaran-tany 3000m2 no misy azy.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici