Hataraina ny an’ny rehetra mpindrana an’iny lalana manodidina ny farihin’Anosy iny omaly maraina. Lehilahy iray manodidina 30 taona teo ho eo no hita faty nitsirara tsy lavitry ny lalana mizotra mihazo ny “Ancien Combattant” iny, manamorona tanteraka ny farihy. Tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany maraina tany ho any no nahitan’ireo mpandalo ity tranga ity ary nampandresina avy hatrany ny tompon’andraikitra.
Nilatsaka avy hatrany teny an-toerana moa ny polisy misahana iny faritra niaraka tamin’ny polisy misahana ny ady amin’ny heloka bevava. Niditra an-tsehatra ireto farany satria voalaza fa nampiahiahy ny zava-nisy, moa rehefa misy aina nafoy tamin’ny fomba tsy dia mazava loatra ohatra an’izao dia tsy maintsy manokatra ny fanadihadiana izy ireo.
Raha ny zava-nisy tokoa mantsy dia mbola teny amin’ity lehilahy hita faty ity avokoa ny fitafiana, ankoatra ny marika mety hamantarana azy toy ny hoe portefeuille, na finday. Ambonin’ny fitafiana dia nanao irony aro-tanana fentin’ireo mpitondra moto ihany koa izy, saingy ny moto izay mety ho nentiny dia tsy hita teo intsony. Tsy nahitana ratra aloha tety ivelany raha ny fampitam-baovaon’ny polisy saingy kosa nahitàna lo teo amin’ny manodidina azy.
Raha ny vinavinan’ny rehetra dia mety ho nisy nanendaka ity farany, novonoin’izy ireo ary lasan’ireo olon-dratsy ny moto nentiny. Ahiahy hafa ihany koa fa mihodina ny moto ihany dia ny hoe mety ho namosavian’ireo niaraka taminy farany mba nentina hangalana ilay moto. Tsy mbola fantatra mazava araka izany ny antony nahafaty ity olona ity ary mijanona ho ahiahy ihany ireo voatanisa ireo. Anjaran’ireo mpanao fanadihadiana no mikaroka izany amin’ny alalan’ny fitsirihana ny razana nataon’ireo mpitsabo. Nentina nihazo ny tranom-patin’ny hopitaly tsy lavitra teo rahateo ny razana, ho amin’izany fitsirihana izay.
Hatramin’ny ora nanoratanay omaly moa dia mbola tsy fantatra ny mombamomba ity lehilahy ity. Ary niantsoana ireo izay mety nahafanatatra azy teny anivon’ny tambajotra sosialy.
m.L




